✅️ Manoloana ny olan’ny fahatapahan-jiro eto andrenivohitra izay miteraka fanakorontanana ataon’ireo olona sasany dia mijoro mandray andraikitra feno ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana ho fisorohana ny fanakorontanana sy hisian’ny filaminana eto an-drenivohitra .
✅️ Nidina ifotony nijery ny fomba fiasan’ireo mpitandro filaminana noho izany ny lehiben’ny EMMONAT tarihin’ny Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Contrôleur Général de police RAKOTOZANANY Dany Marius Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ary ny Jeneraly DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika . Nankahery ireo mpitandro filaminana izay tsy miraviravy tanana manao ny asany andro aman’alina no nanamafy ny antso ho an’ny vahoaka mba tsy ho voasarika amin’ny endrika fanakorontanana rehetra .
✅️ Hentitra ny EMMONAT tsy manaiky ny endrika fanohitohinana ny filaminam-bahoaka . Efa manao ireo fomba rehetra hamahana ny olana amin’ny fahatapahan-jiro ny fitondram-panjakana hoy ny Lehiben’ny EMMONAT ka tokony samy miezaka ny tsirairay mampanjaka ny fandriampahalemana .