✅️ Lehilahy roa, 26 sy 42 taona no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny Poste de Police Avancé Antaniavo 02 sy 04 novambra 2024 lasa teo noho ny halatra miharo vono mitam-piadiana.
👉 Naharay fitarainana ny Polisy mahakasika ny trangana tsy fahandriampahalemana toy ny vaky trano, hala-botry ary fanendahana manodidina an’Ankorondrano, Antohomadinika sy Andraharo iny. Manoloana izany dia nohamafisina ny asa fisafoanan’ ireo Polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo. Vokany, lehilahy iray 26 taona no tra – tehaka ny 02 novambra 2024 tamin ‘ny 03 ora maraina manoloana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Antohomadinika izay mbola nahatratrarana sabatra lava lela teny aminy.
👉 Tra – tehaka teny Antohomadinika kosa ny lehilahy iray 42 taona ny 04 novambra 2024. Ity farany izay efa ela no nampitondra faisana ny mponina eny amin’iny faritra iny. Ity farany izay mbola tratra niaraka tamin’ny antsy nandritra ny fisamborana.
🚨 Natolotra ny Fampanoavana omaly 06 novambra 2024 izy roalahy ka voatazona am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjan’Antanimora.
DRSP ANALAMANGA/ PPA ANTANIAVO:HALATRA MIHARO VONO: ROALAHY TRA-TEHAKY NY POLISY