✅Nanome voninahitra sy nahatsiaro ireo maherifo tamin’ny Ady Lehibe i Madagasikara, nandritra ity fankalazana ny fifanarahana fandriampahalemana tamin’ny 11 Novambra ity. Ho fanomezam-boninahitra izany dia tonga teny amin’ny tsangambato Anosy ireo Minisitra eo anivon’ny hery fiarovana sy filaminana dia ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ary ny Minisitra Delege misahana ny Zandarmaria Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara niaraka tamin’ny masoivoho Frantsay miasa eto Madagasikara, Andriamatoa Arnaud Guillois.
✅Nisy moa ny fametrahana mari-boninahitra ka anisan’ny nahazo izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius.