👮Fiofanana telo no indray nifarana ny zoma 08 Novambra 2024 teo teto an-drenivohitra teto anivon’ny Polisimpirenena. Tao amin’ny Kaomisaria Foiben’Antananarivo Tsaralalà na sy teny amin’ny Fitaleavan’ny Fikarohana sy fiofanana mitohy (DRFC)eny Antanimora.
👮Fiofanana voalohany mahakasika ny « Gestions des scènes de crimes » izay notanterahina tao amin’ny Kaomisaria foiben’Antananarivo Tsaralalà na. Lanonana nanomezana taratasy fanamarinana ho an’ireo mpiofana 20 izay 10 avy ao amin’ny Polisimpirenena ka vehivavy ny iray raha toa ka 10 avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena ka vehivavy ny roa. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ity tetsy amin’ny komisaria foibe Tsaralalana ny ny Talen’ny « Police Judiciaire » eto amin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police N’DIAYE Jean Meambly Tidahy, izay nanamafy ary nandrisika ny hampiharana izay fahaiza-manao sy traikefa azo nandritra ity fiofanana ity.
👮Fiofanana faharoa, izay fiaraha-miasan’ny CIS izay notarihin’ny Talen’ny Kabinetrany, sy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka izay notarihin’ny Ramatoa Talen’ny Fitaleavan’ny Fikarohana sy ny Fiofanana mitohy. Tamin’izany no nizarana taratasy fanamarinana ireto mpiofana miisa 53 izay mpiandraikitra ny 23 ary mpiantsehatra ny 30. Natao izao fiofanana izao mba hampitombo misimisy kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny CIS sy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ary ny traikefa azo dia hoentina hanatsarana bebe kokoa sy fifehezana ny asa eo am-panatanterahana azy.
👮Fiofanana fahatelo farany, izay mahakasika ny  » Vulgarisation des principes de MENDEZ » na ny ady amin’ny fampijaliana olona sy ny fanararaotam-pahefana. Ity fiofanana ity, izay notanterahina tao amin’ny fitaleavan’ny fikarohana sy ny fihofanana mitohy ihany koa ary notarihin’ny « Directeur des Enquêtes Internes » eto anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Simon.