👉Zatovolahy miisa efatra, 15 taona ny zokiny ary 14 taona ireo ambiny, no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Maevatanana ny alin’ny sabotsy 09 sy ny alahady 10 novambra 2024, noho ny famonoana olona niniana natao.
👉Raha tsiahivina dia nahitana fatin’olona iray teo akaikin’ny « pylone » tanànan’Antaninandro ao anatin’ny Kaominina ambonivohitr’i Maevatanana ny sabotsy 09 novambra 2024 tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Nidina avy hatrany teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo mba hanao ny fitsirihana ny polisy.
👉Tsikaritra fa nisy ratra lalina miisa sivy nateraky ny tsindrona tamin’ny zava-maranitra, ary nisy faritra boribory teo amin’ny ilany havia amin’ny kibony. Nanao fikarohana ny mpitandro ny filaminana ka voasambotra ny zatovolahy miisa efatra izay niaiky fa tompon’antoka tamin’ny famonoana.
âś…Ny 12 novambra 2024 dia natolotra ny fampanoavana izy efatra ka naiditra vonjimaika am-ponja ao Maevatanana.

 

DRSP BETSIBOKA_CSP MAEVATANANA:ANDIANA TOVOLAHY NAMONO SY NAHAFATY OLONA

Vous pourrez aussi aimer