👉Ny 05 Novambra 2024 teo dia tonga tao amin’ny Komisaria Vatomandry ny olona iray, nametraka fitoriana mikasika ny fahavakisan’ny tranony tao Ampandranety, Kominina Vatomandry, tokony ho tamin’ny 7 hatramin’ny 11 ora maraina.
👮Rehefa nanokatra ny fanadihadihana ny Polisy teo anivon’ny Komisaria Vatomandry dia vehivavy tao Sahamatevina no hita nisalotra akanjo anisan’ireo entana very nandritra ity vaky trano ity. Noentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Polisy izy nanaovana fanadihadihana, ka tamin’izany no nanondroany ny sakaizany, izay nolazainy fa nahazoany io akanjo io.
✅Ny 26 Novambra 2024, dia niroso tamin’ny fisamborana ity lehilahy ity tao amin’ny trano fonenany tao Sahamatevina ihany ny Polisy. Hita tamin’izany ireo entana hafa izay very tamin’ity vaky trano ity : Kojakojan-dakozia samihafa, « convertisseur », « amplificateur », sy fitaovana maro hafa.
👉Noentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Komisaria ihany koa ny tenany, aorian’ny fanadihadihana ataon’ny Polisy mahakasika ity raharaha ity, dia ho atolotra ny fitsaràna ny raharaha.
DRSP ATSINANANA_CSP VATOMANDRY:OLONA ROA NOSAMBORIN’NY POLISY MIASA AO AMIN’NY KOMISARIA VATOMANDRY NOHO NY RAHARAHA VAKY TRANO