👮Olona miisa 5 no voasambotry ny Polisin’ny STUP ny 26 novambre 2024. Ny iray teny Andoharanofotsy ary ny 4 teny amin’ny Fasan’ny karana.
👉Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny Polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy fa misy olona mivarotra sy mifoka rongony ao Andoharanofotsy. Natao ny velam-pandrika ka tratra tao an-tranony ny lehilahy iray miaraka amin’ny fonosana rongony miisa 36.
👉Nitohy ny fisamborana dia olona miisa efatra (4) hafa ihany koa no tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taxi brousse Fasan’ny karana miaraka amin’ny fonosana rongony miisa 250. Noentina natao famotorana eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireto olona miisa 5 ireto hanaovana fanadiadihana ary hatolotra ny fitsarana.

DPE/STUP

Vous pourrez aussi aimer