👉Nisy ny fihaonana teo amin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Morondava, Andriamatoa HAJA Resampa Ramanohy sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ny avy ao amin’ny Polisimpirenena ao Morondava sy ny FIVAPOVA, izay notarihin’ny Talem-paritry Filaminam-bahoaka ao Menabe, ny Commisaire Divisionnaire de Police SERALY Hercule ny alakamisy 05 desambra 2024 tao amin’ny efitrano fivoriana lehibe tao amin’ny birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Menabe.
✅Andriamatoa Solombavambahoakamoa dia nampahatsiahy ny tantara izay nampifamatotra NY Polisimpirenena sy ny fianakavian’Itompokolahy RESAMPA izay Minisitry ny Atitany tany aloha ka nanolotra fanomezana ho an’ny FIVAPOVA sy ny Polisy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Menabe.
Nisaotra an’Andriamatoa solombavambahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy amin’ireo tolotra izay nomeny Ramatoa Filohan’ny FIVAPOVA izay ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny fikambanana.