✅Notontosaina androany teto amin’ny Toby Inspecteur Général de Police Amady Augustin, Sekolim-pirenena ambonin’ny Polisy (ENSP) eto Mamory Ivato ny lanonana ara-panjakana telo sosona. Voalohany tamin’izany, ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Talen’ny ENSP teo aloha, sy ny Tale vaovao, ny Commissaire Divisionnaire de Police Ratsimba Andrianina Brice. Ny faharoa, dia ny famoahana tamin’ny fomba ôfisialy ireo manamboninahitra « Commissaires de Police  » miisa 30 mianadahy, sy « Officiers de Police » miisa 50 mianadahy, andiany « MANAMPI ». Ary ny farany, dia ny fitokanana ireo fotodrafitrasa miisa roa vaovao, tranon’ny mpianatra, sy ny Laboratoire médico-légal numérique; izay hanampy bebe kokoa amin’ny fanadihadihana ataon’ny eo anivon’ny Polisimpirenena.
🟠Tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, notronin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala sy ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny Governemanta, niaraka tamin’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy ary ireo tomponandraikitra ambony maro, sivily sy miaramila.
🎯Fiarahabana sy fitsofan-drano tamin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry Rajoelina avy hatrany, no natolotry ny Praiminisitra ho an’ireto andiany vao nivoaka ireto tamin’ny fanombohany ny lahateniny. Nandritra izany koa no nanambarany fa, zava-dehibe eto amin’ny Firenena ny fananana mpitandro filaminana voaofana sy manana fahendrena, ary mametraka ho ambony toerana hatrany ny fitiavan-tanindrazana amin’ny fanompoana sy ny fiarovana ny vahoaka. « Polisimpirenena manakaiky ny fiarahamonina, miaro sy manampy ny vahoaka, ary andry iankinan’ny filaminana sy fandriamapahalemana », io no tanjona mipetraka ho fanamby lehibe, hoy ny Praiministra. Tamin’ny famaranana dia notsipihiny mazava, fa manatsara hatrany ny fitantanana izay andry iray lehibe ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ny fitondrana. Araka izany, dia tsy maintsy miroso hatrany ireo tomponandraikitra, amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasa, hiaina ao anatin’ny Firenena tan-dalàna sy miady hatrany amin’ny kolikoly, satria miankina amin’ny tsirairay hoy ihany izy, ny hoavin’i Madagasikara

LANONANA TELO SOSONA TETO AMIN’NY SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer