👮♂️Voasambotra Polisy miasa ao amin’ny CSP7 67ha ny faha 17 Desambra 2024 lasa teo ny telolahy amin’ireo « bande de 8 » rehefa nanaovana velam-pandrika.
👉Raha hiverenana ny zava-nisy, dia fitarainana maro no efa voaray teo anivon’ny Polisy momba azy ireto noho ny asa fanendahana miaro vono. Ny 13 Desambra 2024 lasa teo, dia vehivavy mpinamana maromaro no sendra azy ireo teny 67ha, ka lasan’izy ireo tamin’izany ny finday miisa 3 sy vola mitentina 400.000 Ariary.
👮♂️Tsy sarotra tamin’ny Polisy miasa ao amin’ny CSP7 ny namantatra ireto farany rehefa nidina ifotony nanao fisafoana izy ireo, ary nanampy betsaka tamin’izany ny fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitra-po izay nahalala tsara ireto mpanao asa ratsy miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ireto, izay nampikaikaika ireo olona mpandalo amin’ny ravitoto 67 ha sy ny manodidina iny.
🕵️♂️Ny 17 Desambra 2024, dia voasambotra ny iray tamin’izy ireo, ary nentina avy hatrany natao fanadihadihana tany amin’ny biraon’ny Polisy. Rehefa natao ny fanadihadihana, dia nanondro ireo namany ity farany, ka nanamora ny fisamborana ireo namany miisa 2, izay mpiara-manatanteraka asa ratsy aminy.
✅Natolotra ny fampanoavana, ary naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy telolahy ireto ny 21 Desambra 2024.