🚔🚔 Nanatanteraka fidinana ifotony teto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Polisimpirenena ny alin’ny 31 Desambra 2024, izay notarihan-dRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ Ny Aina sy Andriamatoa Tale Jeneraly, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RAKOTOZANANY Dany Marius notronin’ireo Tale eo anivon’ny Ministera.
👮‍♂️👮‍♂️ Notetezina avokoa ireo faritra be olona teto Antananarivo Renivohitra toy ny teny 67ha, Ankazomanga, Itaosy, Alasora ary Antaninarenina.
âś… Izao no natao dia mba ho fanatsarana hatrany ny fitandroana ny fandriam-pahalemana eny anivon’ireo faritra be olona amin’izao fety izao.
đź“Ł Nisy ny fifampiresahana tamin’ireo olona sy mpivarotra ary fangalana ny hetahetan’izy ireo nandritra izao fidinana ifotony izao.