📆Amin’izao fiandohan’ny taona 2025 izao dia nanatontosa fidinana ifotony tany amin’ireo rafi-pitantanana sy Sampandraharaha misy eto Antananarivo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo tompon’andraikitra ambony mpiara-miasa aminy ny 02 sy ny 03 janoary 2025.
đź‘®Nandritra izany no niarahabany ireo mpiara-miasa rehetra tao amin’ny fitantanana sy Sampandraharaha foibe tao Anosy ny andron’ny 02 janoary. Notohizana ny 3 janoary ny teny amin’ny Toby Razafindrazaka Bertin, ny Commissariat central Tsaralalana, Atsimondrano sy Avaradrano, ny Fitaleavam-paritra Analamanga teny Ivato, PAF Ivato ary ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy Ivato.
đź–ĄNisy ihany koa ny fivoriana ampitain-davitra niarahana tamin’ireo Talem-paritra sy Lehiben’ny Sampandraharaha any amin’ny distrika ny tolakandron’ny 03 janoary 2025.
đź‘®Nampita ny fankaherezana sy toromarika ho entina miatrika ireo asa fametrahana filaminana sy fandriampahalemana eran’ny nosy amin’ity taona 2025 ity ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka nandritra izany. Nampahatsiahiviny koa ny andraikitra fototry ny Polisimpirenena dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany ary ny andrim-panjakana mijoro.
👉Ireo fihaonana ireo moa dia nanararaotany nihainoana ny hetahetan’ireo mpiara-miasa izay nentin’ny tompon’andraikitra tsirairay.
👉Nahatsapa ny rehetra fa manamafy ny firaisan-kinan’ny Polisimpirenena ny zava-misy toy izao.
đź‘®Tsy nohadinoina moa ny nifampirary soa hoan’ny ankohonan’ny polisy tsirairay. Toy izany koa ny fampitana ny fiarahabana ny vahoaka malagasy rehetra any amin’ny fari-piadidiana iandraiketan’ny Polisimpirenena.