👉Ny 02 Janoary 2025 lasa teo, dia naharay fitoriana noho ny vaky trano izay niseho tao Tsimbazaza ny avy ao amin’ny Komisaria Boriboritany Fahadimy Mahamasina. Lehilahy iray mpiasa tao amin’ity toeram-pisakafoanana teo aloha no nipetrahan’ny ahiahy tamin’izany, ary voalaza tao anatin’ny fitoriana nataony ny fahaverezan’ireo entana maro izay mitentina manodidina ny 18.100.000 Ariary.
👮Nanao ny fanadihadihana avy hatrany ny Polisy miasa ao amin’ny Komisaria Mahamasina, ka nanao fisavana ny toeram-ponenan’ity lehilahy izay isan’ny nahiahiana ity. Tratra tao aminy ny sasany tamin’ireo entana voalaza fa very tao amin’ity toeram-pisakafoanana ity, raha efa namidiny tamin’olona ireo entana sasany.
✅Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’i Komisaria izy nanokafana fanadihadihana, ka tamin’izany no nanondroany ireo olona izay nivarotany ny entana sasany tamin’ireo entana nangalariny. Mitohy ny fanadihadihana, mialoha ny hanolorana azy eo anoloan’ny

 

DRSP ANALAMANGA-CSP 5 MAHAMASINA: VOASAMBOTRY NY POLISY NY LEHILAHY IRAY TOMPON-KEVITRA TAMIN’NY FAMAKIANA TOERAM-PISAKAFOANANA IRAY TAO TSIMBAZAZA

Vous pourrez aussi aimer