➡️ Nanantanteraka hetsika manokana teny amin’ny manodidina an’Akadimbahoaka, Paraky ary Namontana iny ny Polisy avy ao amin’ny SAG ny alin’ny Asabotsy 25 janoary 2025. Lehilahy iray mpanendaka efa ikoizana amin’iny faritra iny no voasambotra tamin’izany ary nanaiky ny hanoro ny toerana fanaovany fotoana amin’ny namany, mialohan’ny andehanan’izy ireo manao fanendahana. Rehefa nipoitra tokoa ireo namany ka nahita ny Polisy dia vaky nandositra. Tao anatin’ny savorovoro sy fifanenjehana no nanararaotra nandray ny antsy lava izay latsaka nandritra ny fandosiran’ny namany ilay mpanendaka voasambotra voalohany, no sady nikasa hamely ny Polisin’ny SAG ka voatifitra. Lavo noho izany izy. Azo sambo-belona kosa ny iray tamin’ireo tafatsoaka.
DPJ_SCAG:MPANENDAKA RAINDAHINY IRAY LAVON’NY BALAN’NY POLISY TETSY ANKADIMBAHOAKA, NAMANY IRAY AZO SAMBO-BELONA