👮♂️ Polisimpirenena miisa 10, sy Zandary miisa 10 no miatrika fiofanana momba ny « Renseignement Opérationnel » mandritra ny 5 andro eny amin’ny DRFC Antanimora na ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka nanomboka ny 27 Janoary 2025 teo.
Fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Masoivohon’i Frantsa no nahafahana nanatanteraka izao fampiofanana izao.
👮♀️ Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fiofanana ity teny amin’ny DRFC Antanimora, ny talen’ny Fikarohana sy ny Fiofanana Mitohy eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Commissaire Divisionnaire de Police RASOAMANANJARA Pierrette Marie Françoise ary Ny talen’ireo Sampandraharaha momba ny Angom-baovao, ny Commissaire Divisionnaire de Police RANJATOARISOA Andriamiadana Mamitiana.
MSP DRFC-DSR: NISOKATRA NY 27 JANOARY 2025, ARY AHARITRA 5 ANDRO NY FIOFANANA MOMBA NY « RENSEIGNEMENT OPERATIONNEL »