Lehilahy 51 taona voasambotry ny Polisy tao Antalaha noho ny fitazonana basy tsy ara-dalàna
➡️ Ny 29 janoary 2025 no nahazo loharanom-baovao ny Polisin’ny FIP Sava, mahakasika ity lehilahy mitazona basy tsy ara-dalàna tao Antalaha ity.
➡️ Nidina ifotony ny Polisy nanamarina izany. Rehefa nosavaina dia tratra teny aminy ny basy poleta vita gasy, tsy misy marika. Nentina natao famotorana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy alohan’ny hanolorana azy any amin’ny fitsarana.
DRSP SAVA CRFIP SAVA