MSP-ENSP IVATO: NAPETRAKA AMBANY FANEVA NY MPIANATRA VAOVAO HO MANAMBONINAHITRA AMBONY SY MPIANATRA HO MANAMBONINAHITRA EO ANIVON’NY SEKOLY AMBONIN’NY POLISIMPIRENENA, MISALOTRA NY ANARANA  » MIAHI » (MATURITÉ – INTELLIGENCE – ASSIDUITÉ – HONNÊTETÉ – INTÉGRITÉ)

➡️ Tontosa ny 14 Febroary 2025 ny lanonana fanehoana ho ambany faneva an’ireo mpianatra ho manamboninahitra ambony sy manamboninahitra eo anivon’ny Polisimpirenena, manaraka fiofanana ao amin’ny ENSP (École Nationale Supérieure de Police) Ivato. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général

DRSP ANALAMANGA:CC TANA VILLE – CSP3

➡️ Tratra tao Andravoahangy ny maraimben’ny 13 Febroary 2025 ireo roa lahy isan’ireo mpangalatra « panneau solaire » sy jiro eto Andrenivohitra ka vao lasibatra tamin’izany farany ny teny Faravohitra. Nifanehatra tamin’ny Polisy manao fisafoana ireto roalahy ireto ka nosavaina ny entana

DRSP ANALAMANGA_CC TANA VILLE – CSP2 AMBOHIJATOVO: LEHILAHY 11 NOSAMBORIN’NY POLISY NOHO NY HALATRA FITAOVANA MARO TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY.

👉 Tohin’ilay raharaha nahaverezana entana maro tao amin’ny toeram-piasana izay nitazona solosaina marobe, niampy lehilahy miisa 08 indray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faharoa Ambohijatovo. Marihana fa efa voatazona any am-ponja ny tompon’antoka tamin’izany miaraka tamin’ny

MSP – MDG – MFA

🏀🏐 Natao tao amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary ny 9 febroary 2025 ny fanombohana ireo hetsika maro samihafa ho fanamarihana ny faha-50 taona nahafatesan’ny Jeneraly Richard Ratsimandrava. Ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenana no nitarika ny lanonana, niaraka amin’ny Minisitry ny

DRSP BOENY_SRPJ – DPMPM

➡️Lehilahy avy ao Ampasika Mahajanga, nidaroka zazavavy kely 2 taona zana-badiny no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna ao Boeny ny 5 Febroary 2025. Rehefa nanontaniana ny anton’izany izy dia nambarany fa mitomany matetika Ilay zaza

ENIAP ANTSIRABE :NY ALA, ANTOKY NY RANO SY ANGOVO »

👉 Tontosa androany 6 Febroary 2025 ny fambolen-kazo nataon’ny ENIAP Antsirabe (École Nationale des Inspecteurs et Agents de Police) izay natao tao amin’ny faritry ny sekoly ihany. Nandray anjara tamin’izany ireo mpianatra ho Polisy niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny

DRSP ANALAMANGA_CC TANA VILLE – CSP2 AMBOHIJATOVO: LEHILAHY 03 NOSAMBORIN’NY POLISY NOHO NY HALATRA FITAOVANA MARO TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY.

👉 Nametraka fitoriana tao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faharoa Ambohijatovo ny lehibena toeram-piasàna iray izay mitazona solosaina marobe, noho ny fahaverezena karazana entana maro. Rehefa natao ny fanadihadiana sy angom-baovao samihafa dia nisy ny olona noahiahiana ary hita ny porofo fa