➡️ Ny zoma 31 janoary 2025 hatramin’ny alahady 02 febroary 2025, miisa 11 ireo voasambotry ny Polisimpirenena nandritra ny fisafoana amin’ny alina sy hetsika manokana nanaovana fanamiana sivily. Isan’izany ireo efa-dahy tetsy isotry voasambotry ny Polisin’ny CSP 4, teo ihany koa ireo telolahy izay efa naharaisan’ny tao amin’ny komisaria Ambohijatovo fitarainana noho ny resaka fanendahana ka nanaovana vela-pandrika. Ankilany, lehilahy miisa efatra ihany koa no nosamboriny Polisin’ny UIR manao fanamiana sivily teny amin’ny fasan’ny karana rehefa tratra ambodiomby teo am-panendahana ireo olona mivoaka taxi be.
➡️ Ankoatra izay rehetra izay dia lehilahy iray hafa no nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny Komisaria boriboritany faharoa Ambohijatovo, teny Miandrarivo, rehefa nahazoana taratasy fisamborana avy amin’ny tribonaly noho ny resaka halatra moto.

DRSP ANALAMANGA-CC ANTANANARIVO RENIVOHITRA/MPANENDAKA SY MPANAO SINTO-MAHERY MIISA 10 SY MPANGALATRA MOTO IRAY NO TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer