👉 Nametraka fitoriana tao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faharoa Ambohijatovo ny lehibena toeram-piasàna iray izay mitazona solosaina marobe, noho ny fahaverezena karazana entana maro. Rehefa natao ny fanadihadiana sy angom-baovao samihafa dia nisy ny olona noahiahiana ary hita ny porofo fa tena nanao ny halatra ny tovolahy iray izay miasa ao amin’ny orinasa ihany. Nanoro ny namany roa izay mpitazona sy mpividy halatra izy taorian’izay ka samy notanana sy atao andri-maso mba hanaovanana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena izy telolahy ny 5 Febroary 2025. Bisikileta elektrika iray sy solosaina 20 isa no tratra tany amin’izy ireo.

DRSP ANALAMANGA_CC TANA VILLE – CSP2 AMBOHIJATOVO: LEHILAHY 03 NOSAMBORIN’NY POLISY NOHO NY HALATRA FITAOVANA MARO TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY.

Vous pourrez aussi aimer