👉 Tontosa androany 6 Febroary 2025 ny fambolen-kazo nataon’ny ENIAP Antsirabe (École Nationale des Inspecteurs et Agents de Police) izay natao tao amin’ny faritry ny sekoly ihany. Nandray anjara tamin’izany ireo mpianatra ho Polisy niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, notarihin’ny Sekretera Jeneraly, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina. Notsindriany fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny famerenana ny ala eto Madagasikara izao hetsika izao. Noho izany, samy manamafy ny ezaka tandrify azy avy ny Andrim-panjakana isanisany ka isan’izany izao ataon’ny Polisimpirenena izao.
👉 Polisy miisa 1 027 no nandray anjara tamin’ity hetsika ity, ary zanakazo miisa 1 300 no novolena manodidina ny faritry ny sekoly.

ENIAP ANTSIRABE :NY ALA, ANTOKY NY RANO SY ANGOVO »

Vous pourrez aussi aimer