➡️Lehilahy avy ao Ampasika Mahajanga, nidaroka zazavavy kely 2 taona zana-badiny no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna ao Boeny ny 5 Febroary 2025. Rehefa nanontaniana ny anton’izany izy dia nambarany fa mitomany matetika Ilay zaza ka mahasorena azy. Olona tsara sitrapo no nampilaza tamin’ny Polisimpirenena ary nidina avy hatrany nanamarina izany sy nisambotra azy mba hatao fanadihadiana. Nampidirin’ny fitsaràna am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity taorian’ny fanadihadiana nataon’ny fampanoavana.
DRSP BOENY_SRPJ – DPMPM