➡️ Tontosa ny 7 Febroary 2025 ny lanonana fanehoana ho ambany faneva an’ireo mpianatra ho Polisimpirenena vaovao manaraka fiofanana ao amin’ny ENIAP (École Nationale des Inspecteurs et Agents de Police) Antsirabe. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala no nitarika ny lanonana.
➡️ Notsindriany fa fanatanterahana ny politikam-panjakana hanatrarana ny fanjakana tsara tantana sy ny fijerena ny maha-olona izao fampitomboana isa ny Polisimpirenena izao, indindra fa rehefa tonga ny fotoana hidiran’ireto mpianatra ireto amin’ny sehatry ny asa. Nisaotra ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, noho ny naneken’izy ireo ny fandraisana mpianatra vaovao ho Polisimpirenena tamin’ny alalan’ny fifaninanana.
➡️ Miisa 150 ny mpianatra ho Inspecteur de Police, 1000 ireo mpianatra ho Agent de Police ary vehivavy ny 153 amin’ireto andiany MANEVA ireto. Namporisika ireo mpianatra mba hitozo hatrany amin’ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana izay fototry ny fiofanana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Izany hoy izy no hahafahana manatanteraka ny adidy masin’ny Polisimpirenena dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany, sy ny fampiharana ny lalàna.
➡️ Taorian’ny fahavitan’ny andiany MANEVA ny fiofanana fototra naharitra 45 andro araka izany, hanomboka ny fiofanana ara-teoria sy fampiharana momba ny asan’ny Polisimpirenena izy ireo.
➡️ Tompon’andraikim-panjakana miaramila sy sivily niampy ireo olom-boafidy maro no nanatrika ity lanonana ity.

MSP ENIAP ANTSIRABE:NAPETRAKA AMBANY FANEVA NY MPIANATRA HO POLISIMPIRENENA ANDIANY FAHA-30 AVY AO AMIN’NY ENIAP, MISALOTRA NY ANARANA « MANEVA »

Vous pourrez aussi aimer