👉 Tohin’ilay raharaha nahaverezana entana maro tao amin’ny toeram-piasana izay nitazona solosaina marobe, niampy lehilahy miisa 08 indray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faharoa Ambohijatovo. Marihana fa efa voatazona any am-ponja ny tompon’antoka tamin’izany miaraka tamin’ny mpivarotra sady mpandray entana halatra miisa 02. Mpandray entana halatra miisa 08 indray no voasambotra rehefa nitohy ny fanadihadihana. Naverina eny Antanimora ny telo ary ny iray eo ambany fanarahamason’ny fitsarana. Tafaverina tamin’ny tompony ny bisikleta elektrika iray sy solosaina miisa 37.

 

DRSP ANALAMANGA_CC TANA VILLE – CSP2 AMBOHIJATOVO: LEHILAHY 11 NOSAMBORIN’NY POLISY NOHO NY HALATRA FITAOVANA MARO TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY.

Vous pourrez aussi aimer