➡️ Ravan’ny Polisimpirenena indray ny tambazotrana mpaka an-keriny zaza varira ny alin’ny alarobia 12 Febroary 2025 tao Ambila, tanàna 20 km miala an’i Manakara.
➡️ Araka ny angom-baovao azon’ny Polisimpirenena tany an-toerana, dia afenin’ireo olon-dratsy tao amin’ny trano iray tao Ambila ity zaza ity.
Noho izany, nanao paik’ady sy velam-pandrika ny Polisy mba hanavotana ilay zaza nalaina an-keriny.
➡️ Vokany, dimy mianadahy no voasambotra, ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo, tafaporitsaka ny sasany nandritra ny fifandonana. Voatifitra tamin’ny tongony ny iray tamin’ireo tafaporitsaka ka voasambotra ihany.
➡️ Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ireo voasambotra mba hanaovana fanadihadiana manokana. Valo ny tontalin’ny voasambotra izay isany ny mpiray tsikombakomba sy tompon’antoka mivantana amin’ity fakana an-keriny ity. Mbola misy sivy hafa ihany voasambotra ka tazonina ao Vohipeno ao amin’ny biraon’ny Polisy sy ny Zandary any an-toerana hanaovana fanadihadiana iombonana.

DRSP FITOVINAGNY_SRPJ: ZAZA VARIRA 5 TAONA NISY NAKA AN-KERINY TANY MANAKARA, TAFAVERINA SOAMANTSARA TAMIN’NY FIANAKAVIANY