➡️ Tratra tao Andravoahangy ny maraimben’ny 13 Febroary 2025 ireo roa lahy isan’ireo mpangalatra « panneau solaire » sy jiro eto Andrenivohitra ka vao lasibatra tamin’izany farany ny teny Faravohitra.
Nifanehatra tamin’ny Polisy manao fisafoana ireto roalahy ireto ka nosavaina ny entana teny aminy.
Nahitàna « panneau solaire » sy jiro teny amin’izy ireo, niaiky izy roa ireto fa halatra ireo entana hita tany aminy ary teny Faravohitra no nahazoana azy.
Nentina nihazo ny biraon’ny Polisy avy hatrany izy ireo hanaovana fanadihadiana.

DRSP ANALAMANGA:CC TANA VILLE – CSP3

Vous pourrez aussi aimer