👮Commissaires de Police miisa 30 sy Officiers de Police miisa 50, izay nivoaka tamin’ny andiany « MANAMPI » teny amin’ny ENSP na ny « Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy » Ivato ny 14 Desambra 2024 lasa teo no manaraka fiofanana momba ny « Direction et Contrôle des Enquêtes Judiciaires » eny amin’ny DRFC ANTANIMORA, mandritra ny efatra andro, nanomboka ny 25 Martsa 2025 teo.
✍ Natao izao mba ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy fahafehezana ny lalàna, izay efa azon’izy ireo tany amin’ny Sekoly, mialohan’ny hanaovan’izy ireo fianianana eo anatrehan’ny fitsaràna amin’ny maha mpikaroka fandikan-dalàna na « Officier de Police Judiciaire » azy ireo.
👮Nanokatra ny fiofanana androany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina. Nambarany tamin’izany fa fandaharan’asan’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ny fampiofanana tahak’izao. Mila ho mendrika hampihatra ny lalàna ny mpiofana ka mila tandrovana ny fenitra takian’izany.

NANOMBOKA NY FIOFANANA MOMBA NY « DIRECTION ET CONTROLE DES ENQUETES JUDICIAIRES » IREO COMMISSAIRES DE POLICE MIISA 30 SY OFFICIERS DE POLICE MIISA 50 AVY AMIN’NY ANDIANY MANAMPI

Vous pourrez aussi aimer