✅️Ho fanantanterahana ny politikam-panjakàna amin’ny fanavaozana sy ny fanatsaràna ny fomba fiasa eny anivon’ny seranam-piaramanidina, sy ho fijerena ny lafiny maha olona eo amin’ny fitantanan-draharaha eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka dia Polisy miisa 31 mianadahy indray no niatrika fiofanana nanomboka ny 25 Martsa 2025 teo etsy amin’ny DRFC Antanimora.
✅️ Fiofanana momba ny asan’ny Polisy fanarahamaso ny sisin-tany sy ny habaka (PAF) no omena ireto Polisy ireto, mba ho entina hanatsaràna ny tolotra sy ho famaliana ny hetahetan’ny olom-pirenena eny anivon’ny seranam-piaramanidina.
☑️Hifantoka amin’ny fampahafantarana ny asan’ny PAF araka izany ny fiofanana, toy ny fandraisana ireo mpandeha, ireo dingana amin’ny fisavàna sy fanamarinana ny taratasin’ny mpandeha, ny fiarovana amin’ny famarinan’olona sy ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena, ny fisorohana ireo tranga mety hitera-doza ho an’ny sidina sy ny seranam-piaramanidina.
✅️ Handray ny asany avy hatrany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary hiditra amin’ny fampiharana ireto Polisy ireto raha vao vita ny fiofanana. Nandalo sivana izy ireo ary nofantenana tamin’ireo Polisy miasa amin’ny sampan-draharaha samihafa manerana ny Nosy.
👉 Nanokatra ny fiofanana ny Talen’ny Fanaraha-maso ny Fifindra-monina (DCM), ny Contrôleur Général de Police ANDRIANIRINARIVELO Yves Rémi sy ny Talen’ny Fikarohana sy Fampiofanana Mitohy eto anivon’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierrette Marie Françoise.

POLISY 31 MIANADAHY MANARAKA FIOFANANA MAHAKASIKA NY ASAN’NY POLISY FANARAHAMASO NY SISIN-TANY SY NY HABAKA (PAF)

Vous pourrez aussi aimer