👉 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
🚨 Tra-tehaky ny Polisimpirenena avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-07 67ha ireo tambazotran-jatovo mpanao asa ratsy miisa 09 malaza amin’ny resaka fanendahana eny amin’ny faritra Ankasina, 67Ha ary Ankazomanga sy ny manodidina. Ny alin’ny 02 Aprily 2025 dia nanao vela-pandrika ny Polisy tamin’ny alalan’ny fanamiana sivily, ka voasambotra tamin’izany ireo mpanendaka miisa 06 tao 67Ha Avaratra Atsinanana.
🚔 Nandritra ny fanohizana ny fanadihadiana dia olona 02 hafa, izay naman’izy ireo ihany, no voasambotra ihany koa ny 05 Aprily 2025 tao Ankasina. Iray hafa kosa no tra-tehaka tao 67Ha Avaratra Atsinanana ny marainan’ny 06 Aprily 2025.
✅ Marihina fa tamin’ireo 09 voasambotra ireo dia 07 no zaza tsy ampy taona, ka 14 taona no zandriny indrindra amin’izy ireo. Ireo zaza ireo no ampiasain’ireo lehilahy 02 zokiny amin’ny fanaovana asa ratsy.
👉 Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo mba hanokafana fanadihadiana momba ity raharaha ity.

 

RAVAN’NY POLISIMPIRENENA NY TAMBAZOTRANA ANDIAN-JATOVO MALAZA MPANAO ASA FANENDAHANA SY HALATRA ISAN-KARAZANY MANODIDINA AN’ANKASINA, 67HA, ANKAZOMANGA

Vous pourrez aussi aimer