✅Ho fampiharana ny politikam-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly dia nanatanteraka atrik’asa manokana teto amin’ny Espace Rose, Kaominina Tsiroanomandidy, momba ny ady amin’ny kolikoly eny andalam-be, sy ny fampiharana ny lalàna manankery ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny fikambanana maro ary ny hery velona rehetra eto amin’ny faritra Bongolava, izay nahitàna ireo olom-boafidy, olom-boatendry, manamboninahitra sivily sy miaramila. Ny 11 Aprily 2025 no nanatanterahana izany.
👮Nandray anjara feno ihany koa ireo solotena avy amin’ny Ministera Samihafa, ary anisan’izany ireo tale avy eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka avy any Antananarivo sy ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Itasy.
🚨Hivoaka tsy ho ela ny fehinkevitra mikasika izany mba ho ampiharina eny an-kianja.
➡️Ity Atrik’asa ity izay tolo-kevitra avy amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka eto Bongolava, ny Commissaire Principal de Police Rafalimanana Alain.