✅ Tontosa ny 14 Aprily 2025 tao amin’ny fitsaràna Tampony sy Fitsaràna Ambony Anosy ny lanonam-pitsaràna manetriketrika ho fametrahana ny Tonia Mpampanoa lalàna Ambony eo amin’ny Fitsaràna Tampony Madagasikara, Andriamatoa ANDRIAMAHAVORY Christian Paul sy ny Tonia Mpampanoa lalàna Ambony ho an’ny fitsaràna Ambony Antananarivo, Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Didier Alban Andriamahazonoro.
➡️Tonga nanatrika izany teny an-toerana, nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity ny Minisitry ny Fitsaràna, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis sy ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
➡️Nambaran’ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony fa hifantoka amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fanafainganana ny fitsarana, fanatsarana ny kalitaon’ny asa ary ny fanadiovana ny toeram-piasana no hatao laharam-pahamehana. Nisongadina koa ny antson’ny Tonia amin’ny fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miasa rehetra hanatsarana ny endrikin’ny Fitsarana sy ny hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka.
➡️Etsy an-kilany, nilaza Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Didier Alban fa vonona hitondra ainga vao sy hanome lanja ny ady amin’ny kolikoly ary hiaro ny zon’ny vahoaka amin’ny alalan’ny politika famaizana hentitra, indrindra amin’ireo heloka bevava toy ny herisetra, fanolanana, ary fakana an-keriny.

LANONAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA FAMETRAHANA IREO MPAMPANOA LALANA AMBONY, HO AN’NY FITSARÀNA TAMPONY MADAGASIKARA ARY NY TONIA MPAMPANOA LALÀNA AMBONY HO AN’NY FITSARÀNA AMBONY AN’ANTANANARIVO

Vous pourrez aussi aimer