👉 Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, fanabeazana amin’ny fanarahan-dalà na
🛣️ Amin’izao mahabetsaka ny mpampiasa lalana izao dia manao hetsika manokana ireo mpiantsehatra isan-tokony anatin’ny fandrindrà na ny fifamoivoizana eto amintsika, nanomboka ny marainan’ny Sabotsy 19 Aprily 2025 ; hetsika fanentanana lehibe momba ny fiarovana sy fitandremana eny amin’ny arabe izany.
✅ Teny Ankorondrano no nanombohana ny hetsika ka nandray anjara mavitrika ny Polisimpirenena tamin’ny alalan’ny « Brigade des Accidents » na ny BAC, niarahana tamin’ny Faritra Analamanga, ny Direction Générale de la Sécurité Routière avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Fitaleavam-paritry ny fitaterana Analamanga, ary ireo fikambanan’ny mpampiasa kodiarandroa.
🚨 Tanjona ny hisorohana araka izay tratra ny lozam-pifamoivoizana mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska ka mahabetsaka ny mpampiasa lalana.
🏍️ Nentanina manokana ireo mpitondra moto mba tsy hanadino ny fanaovana aro-loha fa indrindra ny fitandremana eny an-dalana ary ny fanajà na ankapobeny ny lalà n’ny fifamoivoizana. Nampahatsiahivina ny rehetra fa tsy azo ekena ny fitondrà na fiara na kodiaran-droa rehefa mamo, ankoatra izay dia noresahana ihany koa ny fahafehezana ny hafainganam-pandeha tsy ho mafy loatra ka mety hahamora ny fisehoan’ny loza.
👮 Hiparitaka amin’ny toerana maro ity hetsika ity ary laharam-pahamehana ireo kihon-dalana lehibe mivoaka ny renivohitra toy ny eny Ambohimahitsy, Ampasika ary Anosizato.
👉 Polisimpirenena, miaro sy manampy ny vahoaka.