✅Moto Jog Pro iray no tafaverina tamin’ny tompony, ary lehilahy 2 tompon’antoka tamin’ny fangalarana izany no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny CSP 4 Isotry ny 21 Aprily 2025 alina.
Moto nipetraka teo an-tokontany teny Anatihazo isotry io moto io ka tsikaritry ny tompony hoe tsy teo intsony raha nanara-maso izany izy. Nampilaza avy hatrany ny Polisy ny tompon’ilay moto raha vantany vao nahalala fa tsy teo amin’ny toerany mahazatra ilay moto. Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisin’ny CSP4 ka nisy ny fisavàna sy sakana. Lehilahy 3 no nifanehatra tamin’ny Polisy nanosika ny moto teny Isotry ka vantany vao nahita ny Polisy ireto telolahy dia nandositra. Tratra ny roa tamin’izy ireo raha tafaporitsaka ny iray ka mbola karohina.
➡️Noentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Komisaria moa ireto roalahy ireto anaovana fanadihadihana. Efa tafaverina tamin’ny tompony kosa ny moto rehefa vita fanamarinana.

 

LEHILAHY 2 TRA-TEHAKY NY POLISY NOHO NY HALATRA MOTO TENY ISOTRY

Vous pourrez aussi aimer