Hampiasa ny heriny hatrany ny Polisim-pirenena ary tsy hitsitsy manoloana ireo andian-jiolahy mitondra fitaovam-piadiana vonona handroba sy hamono ny vahoaka Malagasy. Toy izany ny nahazo ireto olon-dratsy nitondra basy ireto raha saika hanafika mpivaro-kena iray tetsy amin’ny fasan’ny karana omaly
FILAZANA FIKAROHANA
Iangaviana izay mahita na mahalala ny misy ity vehivavy miseho sary ity mba hampandre haingana ny SERVICE CENTRAL DES AFFAIRES RESERVEES PRES DIRECTION DE LA POLICE ECONOMIQUE ANOSY (DPE) na hiantso ny laharana : 034 43 986 45 034 99
TAOM- PAMBOLEN-KAZO 2021 : POLISIM-PIRENENA MIARO NY TONTOLO IAINANA
« Izay mamboly hazo manavotra firenena, izay mandoro ala mandoro tanindrazana ». Io no teny filamatra ho an’ny taom-pambolen-kazo 2021 izay nosokafan’ny Filoham-pirenena tamin’ny fomba ofisialy tao Tolagnaro ny 19 janoary lasa teo. Ho fanatanterahana ny vina izay napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny
FISONDROTANA GALONA EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : MIISA 21 IREO POLISY NAHAZO IZANY
Araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filan-kevitrin’ ny governemanta ny faha 06 janoary 2021 lasa teo dia manam-boninahitra ho Polisy miisa 21 no nahazo fisondrotana galona : Ny 02 tamin’izany dia nampiakarina ho eo amin’ny gradin’ny Contrôleur Général de Police,
DEUXIEME COMPAGNIE URBAINE D’INTERVENTION : ANDIAM-BEHIVAVY MANGAROM-PAOSY SY MANENDAKA AO AN-TSENAN’NY MAHAMASINA TRA-TEHAKY NY POLISY
Alakamisy ny andro ka maro ny olona no mamonjy ny tsenan’ny Mahamasina androany. Ireto Andiam-behivavy ireto dia isany namonjy izany ka manao andiany ary mitsofoka any anaty tsena miaraka amin’ireo mpiantsena. Mitondra zava-maranitra izy ireo ka ny sasany mody mitakisina
BC4 – FANAFIHAN-JIOLAHY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO JIOLAHY NANAFIKA SY NAMONO ILAY TOMPON-TRANO TETSY TANJOMBATO
Notsatohan’ireto jiolahy Antsy ny fon’ilay Lehilahy tompon-trano ka maty teo noho eo ity farany, vita izay dia nalain’ireto jiolahy ny vola tao an-trano. Nisy nahatsikaritra io fanafihana io ka avy dia niantso Polisy ny olona. Vetivety dia Tonga ny Polisy
CSP3 – FANENDAHANA AN’ELAKELANTRANO ENY AMIN’NY FARITRA ANKADIFOTSY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO TOVOLAHY MIARAKA AMIN’NY ANTSY LAVA MPANAO IZANY
Taorian’ny fisafoana nataon’ny Polisy ny boriborintany fahatelo amin’ny alina teny an’elakelatranon’ Ankadifotsy sy ny manodidina dia nifanena tamin’ny Polisy ity Tovolahy nitondra Antsy lava ity saika hanendaka ireo olona mody Alina amin’iny faritra iny. Nambarany fa tsy izy irery no
FANATANJAHAN-TENA CHAMPIONNAT BASKET-BALL N1A : ALEFA COSPN
Hiakatra kianja anio ny COSPN izay ekipa misolo tena ny Polisim-pirenena eo amin’ny taranja basket ball tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Tonga nanome hery sy fanampiana ireo mpilalao izay hiaro ny lokon’ny Polisim-pirenena ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny
CORONAVIRUS : » AZA MANDRIMANDRY MANANA ARETINA » – 1290 IREO TRATRA TSY NANAO AROTAVA NY ANDRON’NY OMALY TALATA SY NY ANIO
Marina fa tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana intsony isika eto Madagasikara fa ny areti-mifindra CORONA mbola eto, Mbola tsy fongotra,mbola mamely na tsy mirongatra toy ny t@ taona 2020 aza. Samy maniry ny tsy hiverenan’izany isika satria sarotra ho antsika
AKANY AMBATOLAMPY : TSY ADINON’ NY POLISIM-PIRENENA NY NANOME FANAMPIANA IREO ZAZA KAMBOTY HIATREHANA NY TAONA VAOVAO
Taorian’ny fankalazana ny fetin’ny noely izay nitondrana fanomezana ho an’ireo ankizy kamboty dia tonga niditsika azy ireo indray ireo lehiben’ny Polisim-pirenena izay notarihin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ary koa ny Fikambanan’ny Vadina Polisy sy Polisy Vehivavy
CSP1 ANALAKELY – TOVOLAHY TRATRA NANENDAKA TETSY AMIN’ NY PAVILLON : FONY IZY VAO 8 TAONA DIA EFA NISAZY ARY IN-DIMY NIGADRA
Zanaka mpivarotra legioma etsy amin’ny Pavillon Analakely ity tovolahy 23 taona ity ary vao 8 taona izy dia tratran’ny Polisy nangarom-paosy teo amin’io faritra io ihany. Mpanendaka gaigilahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe « Ra Gogol », ny Raikeliny sy ny zaodahiny « Ra-Elizé »
FIFAMPIARAHABANA TAOM-BAOVAO EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NO TONGA NIARAHABA IREO POLISY ANY AMIN’NY TOERAM-PIASANY MISY AZY AVY.
Tsy nisy ny fiarahabana manokana ho an’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka fa izy tenany sy ireo lehiben’ny Polisy no nidina sy nanatona ireo Polisy tany amin’ny toeram-piasany misy azy tsirairay avy niarahaba sy nirary soa azy ireo amin’izao taom-baovao izao. Fomba