Taorian’ny fankalazana ny fetin’ny noely izay nitondrana fanomezana ho an’ireo ankizy kamboty dia tonga niditsika azy ireo indray ireo lehiben’ny Polisim-pirenena izay notarihin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ary koa ny Fikambanan’ny Vadina Polisy sy Polisy Vehivavy
CSP1 ANALAKELY – TOVOLAHY TRATRA NANENDAKA TETSY AMIN’ NY PAVILLON : FONY IZY VAO 8 TAONA DIA EFA NISAZY ARY IN-DIMY NIGADRA
Zanaka mpivarotra legioma etsy amin’ny Pavillon Analakely ity tovolahy 23 taona ity ary vao 8 taona izy dia tratran’ny Polisy nangarom-paosy teo amin’io faritra io ihany. Mpanendaka gaigilahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe « Ra Gogol », ny Raikeliny sy ny zaodahiny « Ra-Elizé »
FIFAMPIARAHABANA TAOM-BAOVAO EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NO TONGA NIARAHABA IREO POLISY ANY AMIN’NY TOERAM-PIASANY MISY AZY AVY.
Tsy nisy ny fiarahabana manokana ho an’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka fa izy tenany sy ireo lehiben’ny Polisy no nidina sy nanatona ireo Polisy tany amin’ny toeram-piasany misy azy tsirairay avy niarahaba sy nirary soa azy ireo amin’izao taom-baovao izao. Fomba
Hifarana ny 20 Janoary izao ny fametrahana antontan-taratasy hidirana ho Polisy koa manasa ireo Andriambavilanitra handray anjara mavitrika amin’izany.
Retour
POLISY NAMPIDITRA VIOLON RENIM-PIANAKAVIANA TAO MANANDRIANA : NANOKAFANA FANADIHADIANA ARY ANDRAISANA FEPETRA
Manoloana ny tranga namoizana Renim-pianakaviana iray tany amin’ny Distrikan’i MANANDRIANA ny 02 janoary 2021. Ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny fianakaviambean’ny Polisim-pirenena dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Tompokovavy ary mirary fiononana feno. Ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka dia efa nandray ny
AVANCE CENTER BEHORIRIKA : VEHIVAVY IRAY NO TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY NANGALATRA ENTANA TAO AMINA FIVAROTANA IRAY
Tonga ao amin’ny mpivarotra iray etsy amin’ny avance center etsy behoririka izy ireo dia ny sasany mody manontany sy mandrebireby ilay mpivarotra fa ny sasany kosa manararaotra mangalatra ny entana atsy ambadika. Nisy naAndiam-behivavy mody miantsena no miaraka ary mitety
POLISIM-PIRENENA – FAMARANANA NY TAONA : NOFARANANA TAMIN’NY FOTOAM-PIVAVAHANA NO SADY FAMETRAHANA NY TAONA 2021 EO AMBANIN’NY FAHASOAVAN’ILAY NAHARY.
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tetsy Andohalo ho fisaorana an’ Andriamanitra ary fametrahana ny taona ho avy eo ambany fahasoavany no notanterahin’ny Polisim-pirenena namaranana ny taona. ‘’Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko sy itoerako no mamoa be, satria
FORCE D’INTERVENTION DE LA POLICE : NAHAZO TALE VAOVAO
Ny Commissaire de Police RAKOTONIRINA Jimmy Clark indray no Tale vaovao hisahana ny hery vonjy taitra eto anivon’ny Polisim-pirenena. Tontosa androany ny famindram-pahefana ary handraisany ny rafi-pibaikona amin’ny maha tale vaovao azy. « Commandant FIP » tao ihany izy no niakatra ho
FIP ANTANIMORA : ZAZAKELY HITAN’NY POLISY TETSY ANTANINARENINA ANDROANY HARIVA
Iangaviana izay mahalala na mahafantatra ity Zaza ity mba ho tonga eny amin’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona fa hitan’ ny Polisy mpanao fisafoana tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ity zazakely ity. Manodidina ny 08 volana hatramin’ny herintaona mahery eo
POLISY NARATRA TEO AM-PANATANTERAHANA NY ASANY TANY AMIN’NY FARITRA ANTSIRANANA : TSY NANADINO AZY IREO NY FIANAKAVIAMBEN’NY POLISIM-PIRENENA.
Toy ny tany Toamasina dia tsy namela irery ireo Polisy miisa roa naratra teo am- panatanterahana ny asany tany amin’ny faritra Antsiranana ny fianakamben’ny Polisim-pirenena fa nitsidika sy nampahery azy ireo. Tonga teny amin’ny hopitaly Soavinandriana ireo lehiben’ny Polisy notarihin’ny
POLISY MISAHANA NY ZAVA-MAHADOMELINA – FARITRA 67 SY NY MANODIDINA: MIISA 11 KA NY 02 VEHIVAVY NO TRATRAN’NY POLISY NANDRAY SY NIVAROTRA RONGONY
Tsy mpilalao baolina kitra akory izy ireto fa mpivarotra sy mpifoka rongony eny amin’ny faritra 67ha sy ny Manodidina. Samy mahafantatra isika rehetra fa mampirisika azy ireo hanao herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina ny fifohana izany , anisan’izany ny fanolanana lazain’ny
RN7 SAMBAINA – FANAJANONANA TAXI-BROUSSE : NANDRAY NY ANDRAIKINY NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA HIAROVANA NY AIN’IREO MPANDEHA
Manoloana ny tranga iray teny amin’ny RN7 tamin’ny harivan’ny Alahady, 20 Desambra 2020 ka nahavoatonona ny anaran’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny zanany lahy dia mitondra izao fanazavana izao ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka. Mba ho fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana dia ninia