Ny Polisim-pirenena dia mandray ny andraikiny feno amin’ ny fiarovana ny vahoaka mba hianoka am-pilaminana ao anatin’ny Asaramanitra. Ny zanak’izy ireo kosa dia mandray anjara amin’ny fankalazana ny fahaterahan’ilay Mpamonjy. Araka izany dia nandray anjara feno tamin’ny fampisehoana fankalazana ny
FIAROVANA NY MPAMPIASA LALANA AMIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : MPAMILY FIARA MIISA 07 SY MPITONDRA MOTO 01 TRATRA’NY POLISY NANDRAY ZAVA-PISOTRO MAHAMAMO BE LOATRA
Ho fiarovana ny ain’ireo mpampiasa lalana amin’ny lozam-pifamoivoizana indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao dia misy hatrany ny fanaraha-maso ataon’ny Polisy amin’ireo mpamily amin’ny alalan’ny fijerena ny tahan’ny alikaola ao anatin’izy ireo. Mpamily fiara miisa 50 no tratran’ny fitiliana ka
FARITRA TOAMASINA : TONGA NITONDRA FANKAHEREZANA SY FANAMPIANA HO AN’IREO POLISY NARATRA NY TALE JENERALIN’ NY POLISIM-PIRENENA
Nitsidika ireo Polisy naratra nandritra ny fifandonana tamin’ireo Jiolahy niseho tao Toamasina ny Alatsinainy lasa teo ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena . Ankoatra ny fankaherezana ireto Polisy niharam-boina ireto dia nitondra fanampiana hitsaboana azy ireo ihany koa ny Tale jeneraly ary
FILAZANA FIKAROHANA
Ireto olona hita amin’ny sary ireto dia mpisoloky amin’ny resaka fivarotana fiara no sady mpampiasa taratasy sandoka ary miaraka miray tsikombakomba. Toy izao ny mombamomba azy ireo: Anarana : OUBADI Fanampiny : Fakrou Fathy Teraka ny : 30 Desambra 1990
ORINASA RUN DONG INTERNATIONAL : NANOME FANAMPIANA ARA-TSAKAFO IREO KAMBOTY TEZAINA ANY AMBATOLAMPY
Vary, menaka, ronono, paty, ireo no anisan’ny fanampiana ara-tsosialy nomen’ny orinasa tsy miankina amin’ny amin’ny fanorenana ( immobilier) » RUN DONG INTERNATIONAL » ho an’ny zaza kamboty tezain’ny Polisim-pirenena any Ambatolampy. Ny Tale jeneneraly sy ny Tale misahana ny maha
POLISY MISAHANA NY ZAZA TSY AMPY TAONA- FAMPIJALIANA ZAZA TETSY SOAVIMASOANDRO : NITOLO-TENA TENY AMIN’NY POLISY ILAY RAIM-PIANAKAVIANA REHEFA NIAFINA NANOMBOKA NY ALATSINAINY LASA TEO
Ho tohin’ilay horonantsary niparitaka teto amin’ny tambazotran-tserasera fb izay nahitana ilay raim-pianakaviana nampijaly ny zanany dia nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisy misahana ny Zaza tsy ampy taona ao Tsaralalàna mahakasika iny tranga iny. Ny Alatsinainy nisehoan ‘iny tranga
DRSP ATSINANANA – FIFANDONANA NISY TEO AMIN’NY JIOLAHY MITAM-PIADIANA SY NY POLISY TAO TOAMASINA : ANKILANY POLISY MIISA 03 NARATRA VOAN’ NY BALAN’IREO OLON-DRATSY, ANDANINY JIOLAHY MIISA 03 LAVO NO BALAN’NY POLISY
Mafy ny fifandonana teo amin’ny Polisy sy ireo jiolahy mitam-piadiana saika hanao fanafihana cash-point tao Andranomadio. Tsy nisy tahotra ireto andian-jiolahy fa vao nahita ireto Polisy hisambotra azy dia tifitra variraraka no nasetrin’izy ireo izany. Vokany 03 ny Polisy voan’ny
ZAZA KAMBOTY TEZAIN’NY POLISIM-PIRENENA AO AMBATOLAMPY : TONGA NANOME FANOMEZANA AZY IREO IHANY KOA NY ORINASA STAR
Ny orinasa STAR dia isan’ireo mpiara-miasa miaraka amin’ny Polisim-pirenena, noho izany dia tsy hadinon’izy ireo ny nitondra fanomezana ho an’ireo ankizy kamboty tezain’ny Polisy ao Ambatolampy. Nandritra ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Sabotsy lasa teo no nanolorany ity
SCESLFD- FIVAROTANA SY FAMPIJALIANA VEHIVAVY MALAGASY ANY IVELANY : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY VEHIVAVY MALAGASY MIPETRAKA ANY CHINE IZAY TOMPON’ANTOKA AMIN’IZANY
Mipetraka any Chine ity vehivavy ity ary mandray ireo vehivavy Malagasy tonga hiasa any amin’io firenena io. Vehivavy iray no Tonga nitory teny amin’ny Polisy misahana ny famarinan’olona ( Traite de personne) noho ny famitahana sy ny fampijaliana niainany tany
UNITE D’INTERVENTION RAPIDE : JIOLAHY 01 MITAM-BASY , LAVON’NY BALAN’NY POLISY TETSY 67 HA
Mitohy ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena amin’ny famongorana ireo jiolahy mpamono olona sy mpambotry vahoaka. Jiolahy iray saika hanao fanafihana mitam-basy tetsy amin’ny faritra 67 ha no lavon’ny balan’ny Polisy raha tafatsoaka kosa ireo namany roalahy. Polisy mpanao fisafoana tamin’ny alina
ZAZA KAMBOTY AO AMBATOLAMPY : TSY NANADINO AZY IREO NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA AMIN’IZAO ANKATOKY NY FETY IZAO
Amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely izao dia tsy nanadino ireo kamboty tezaina etsy amin’ny akany Ambatolampy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny vadiny, ireo hehibe eto anivon’ny Polisim-pirenena ary ireo mpiara-miasa isan-karazany eo anivon’ny Polisim-pirenena. Nanome fankaherezana ho an’ireo Zaza
CYBERCRIMINALITE : AMPIASAIN’IZY ROA NY SARIN’IREO VEHIVAVY MANAITRA ATO AMIN’NY FB ENTINY HANGALANA MPANJIFA AMIN’NY FIVAROTAN-TENA
Vehivavy iray no nahita ny sariny nampiasaina compte iray manao irony « plan sexe » irony. Nahatsiaro afa-baraka tanteraka ity vehivavy ity ka nitory tety amin’ny Polisy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia vehivavy iray mpampiasa tovovavy hivaro-tena no nampiasa ilay sary ho